1 Salamo nataon'i Davida. Jehovah , mitaraina aminao aho, faingna hankat? amiko; Henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.

2 Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.

3 Jehovah , asio fiambenana eo anoloan'ny vavako; Ambeno ny varavaran'ny molotro.

4 Aza avela hirona ho amin'ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin'ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.

5 Aoka ny marina hamely ahy amin'ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy hand izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian'ireny.

6 Havarina amin'ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.

7 Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan'ny fiainan-tsi-hita*. [Heb. Sheola]

8 Fa Hianao no andrandrain'ny masoko, Jehovah Tompo ; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.

9 Arovy aho amin'ny fandrika amandrihany ahy Sy amin'ny tadivavaran'ny mpanao ratsy.

10 Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin'ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.
